HomePoliticsMiankina amin’ny ranomasina izy ireo mba hivelomany. Saingy ankehitriny, miharava ny aina...

Miankina amin’ny ranomasina izy ireo mba hivelomany. Saingy ankehitriny, miharava ny aina velona ao an-dranomasina.


Indray maraina mazava masoandro tamin’ny volana septambra, niverina an-tanety ireo mpanjono tao Ambolimailaky, tanàna iray amoron-dranomasina any atsimo-andrefan’i Madagasikara. | Garth Cripps ho an’ny Vox

This story is also available in English. Click here to read that version.

HELODRANON’NY RANOBE, Madagasikara — Ny haran-dranomasina (vatohara) izy tenany dia tena tsara tokoa. Miaina any amin’ny dimy kilaometatra miala ny morontsiraka izy ireo, any amin’ny rano lalina manodidina ny dimy ambin’ny folo metatra, ary dia toy ny tany mikitoantoana misy loko mavokely, manga, ary volomboasary, mipetraka ao anatin’ny ranomasina manga lalina. Ny singany iray amin’ny vatohara dia vondron-biby madinika velona, ary manana endrika hafahafa maro, manomboka amin’ny endrika toy ny lovia fasiana mofomamy sy toy ny ambin-kazo avy amin’ny penisilihazo noharatana ka hatramin’ny endrika toy ny tandroka sy toy ny atidoha.

Fa nisy zavatra iray mazava tsara tsy hita tao: trondro. Toy ny tanàna tsy misy olona, dia saika foana avokoa ilay haran-dranomasina — tsy misy trondro, tsy misy drakaka, tsy misy lamaira (murène), ary tsy misy biby an-dranomasina hafa izay tokony ho hita amin’ny haran-dranomasina.

Maraina mazava tamin’ny volana Septambra ny andro, ary tamin’izay no nanaovako fijibihana (plongée) tao amin’ny haran-dranomasina iray tao atsimon’ny andrefan’i Madagasikara, firenena nosy iray ao atsinanan’i Afrika. Ary toy ny haran-dranomasina maro amin’ny faritra manodidina sy ny hafa maneran-tany, dia efa eo andalam-pahasimbana izy ireo. Ny fanjonoana mihoapapana no naha ritra ny trondro ety amin’ny ranomasimbe, ka rehefa mandeha ny fotoana dia mihamahazo vahana ny lomo-dranomasina (algue) ary lasa mandrakotra ny haran-dranomasina. Ny fitomboan’ny hafananan’ny ranomasina sy ny hamafin’ny rivodoza, miampy ny fandripahana ala any an-tanety, dia anisan’ny loza ho an’ny haran-dranomasin’io firenena io, izay isan’ny manana karazana biby sy zavamaniry maro indrindra eto amin’izao tontolo izao.

Olana lehibe izany ho an’ny olona manamorona ny morontsiraka eto atsimo-andrefan’i Madagasikara. Miankina amin’ny jono ny fiainan’izy ireo — ny fanjonoana biby an-dranomasina dia tena ilainy, ary matetika dia io no hany loharanon-tsakafo sy vola — kanefa rehefa potika ny haran-dranomasina dia potika koa ny jono. Ao amin’ny haran-dranomasina ny trondro no matory, no mihinana, no miafina ny ireo biby mpihaza, ka raha tsy eo intsony izany dia sahirana izy ireo amin’ny fahavelomany. Toe-javatra sarotra izany : ny fahasalamana sy ny fiainan’ny olona eny amorontsiraka dia miankina amin’ny jono, kanefa ny fanjonoana be loatra koa dia isan’ireo antony lehibe mahatonga ny haran-dranomasina — sy ny jono izay tohanany— hihena.

Io fifanoherana eo amin’ny fiainan’olombelona sy ny fiainan’ny biby io dia tsy eto atsimo-andrefan’i Madagasikara ihany no misy azy. Ity nosy ity, izay onenan’ny olona manodidina ny 33 tapitrisa, dia isan’ireo firenena mahantra indrindra eran-tany, ka manodidina ny 80 isanjaton’ny mponina no miaina amin’ny vola latsaky ny 12 000 ariary isan’andro. Matetika tsy manan-tsafidy hafa ny olona afa-tsy ny miankina mivantana amin’ny tontolo iainana mba hahazoana izay ilaina amin’ny fiainana.

Ao anatin’izany anefa, ny fanjakana dia tsy nahavita nanome akory ny tolotra fototra toy ny jiro azo antoka sy rano madio — mainka moa fa na dia lalana hivoahana amin’ny fahantrana sy amin’ny fiankinana amin’ny fitrandrahana. Tamin’ity vanim-potoana fararano ity, izany tsy fahombiazan’ny fanjakana izany dia niteraka fihetsiketsehana tao anatin’ny herinandro maromaro izay notarihin’ny tanora manerana an’i Madagasikara, izay eo amin’ny 20 taona eo ho eo ny salan-taonany. Vokatr’izany, dia nesorin’ny Antenimierampirenena tamin’ny 14 Oktobra ny filoha, ary noraisin’ny miaramila ny fitondrana. Tsy mbola mazava izay dikan’io fiovan-kery io ho an’i Madagasikara sy ho an’ireo tanora mitaky fiovana.

Noho ny filàna mavesatra misy amin’ny maha olombelona, tsy mahagaga raha maro amin’ireo tontolo iainana malaza eto amin’ny firenena no mihasimba ihany koa. Araka ny fikarohana, hatramin’ny fiandohan’ity taonjato ity, dia efa simba hatramin’ny antsasaky ny haran-dranomasina velona eto Madagasikara, ary tahaka izany koa ny ala voajanahary. Saika ny karazana gidro rehetra, biby izay hita eto Madagasikara ihany — dia tandindomin-doza ho lany tamingana.

Ny fanjakana sy ireo fikambanana tsy miankina dia nandany am-polony taona maro — sy vola an-jatony tapitrisa dolara avy amin’ny fanampiana avy any ivelany — mba hiatrehana ireo olana ireo amin’ny fomba izay efa nahazatra, toy ny fananganana faritra arovana izay mandrara ny fanjonoana. Fa ny asehon’i Madagasikara dia izao: matetika tsy mahomby ny tetikasa fiarovana raha toa ka mainka manasarotra ny fiveloman’ny olona tena mahantra izany. Ary hita mazava fa io no antony lehibe nahatonga ireo tetikasa fiarovana maro tsy nahomby any amin’ireo toerana manankarena biby sy zavamaniry, izay matetika hita any amin’ireo  firenena mahantra.

Ny toerana toy Madagasikara dia mampiseho fa ilaina ny fomba fiarovana amin’ny fomba hafa — fomba izay tena mametraka ny olona sy izay ilainy ho fototra iaingana, mba hiaina tsara sy ho feno fahatanterahana. Izay indrindra no nahatonga ahy nakany amin’ny Helodranon’ny Ranobe, toerana nandalovako herinandro tamin’ny volana Septambra. Niaraka tamin’ny mpanjono sy ekipa mpikaroka iraisam-pirenena aho, nitsidika fikambanana kely iray izay manandrana mamerina amin’ny laoniny ny jono sy ny vokatra azo avy aminy, nefa tsy manakana ny jono mihitsy. Ny tanjon’ny tetikasa dia ny hanampy olona. Ny fiarovana ny tontolo iainana dia  vokatra an-daniny fotsiny.

Tony ny ranomasina ary feno sambo kely misy lay rehefa tonga indray maraina aho teo amoron-dranomasina tao Ambolimailaky, tanàna mpanjono iray. Ireo lay tsofin-drivotra — maro amin’izy ireo vita amin’ny gonim-bary efa nampiasaina ary nozairina miaraka — no nitondra ny lakana hazon’ireo mpanjono, izay antsoin’izy ireo hoe lakan-day na lakam-boaly, ho eny amin’ny morontsiraka.

Nahita harato vita avy amin’ny lay fiaro amin’ny moka (moustiquaire) aho tao amin’ny lakana sasany rehefa nanakaiky ny morona izy ireo. Eto Madagasikara sy amin’ny faritra hafa eto Afrika, tsy zava-baovao ny mahita mpanjono mampiasa ireo lay fiaro amin’ny moka (moustiquaire) ireo — izay matetika omen’ny fikambanana mpanampy hiarovana amin’ny tazomoka — mba hanjonona trondro.

Nasehon’ireo mpanjono tamiko izay azony.  Ny sasany nanana siny feno sardinina madinika nihetsika toy ny ranom-bolafotsy. Ny hafa kosa nanana vata feno eo amin’ny antsasany misy trondro toy ny Votrandra, Lafo, Bodoloha, ary zanaka Mandrandovoke. Nisy ankizy vitsivitsy nametraka trondro vitsivitsy mbola velona, toy ny Fia maintsy, tao anaty vilany vy mba hilalaovany. Nisy zaza roa lahy, tokony mbola mpianatra raha ny taonany, nampiseho tamiko siny plastika iray nisy zanaka horita (poulpe) roa ambin’ny folo izay nosamboriny. Nifangaro ny tanan’ireo horita (poulpe) ireo ary tototrin’ny ranomaintiny.

Amin’ny maha olona avy any Etazonia ahy izay tsy mpanjono, nahatsapa alahelo aho nahita ireo biby marobe maty sy mbola niala aina. Matetika aho mahita trondron-dranomasina sy horita (poulpe) any amin’ny aquarium, na amin’ny fitsangantsanganana andranomasina, na amin’ny dokambarotry ny fikambanana mpiaro tontolo iainana. Fa ho an’ireo mpanjono eto dia hafa tanteraka ny fifandraisany amin’ireo biby ireo — ary manana ny antony tsara izany.

Ao amin’ny helodranon’ny Ranobe, ny jono no loharanom-bola lehibe indrindra amin’ny tanàna manamorona morontsiraka, araka ny tenin’i Aroniaina “Aro” Manampitahiana Falinirina, mpikaroka manovo ny mari-pahaizana “doctorat” momba ny sianan-dranomasina ao amin’ny IHSM, oniversiten’i Toliara. Izany no fomba ahazoan’ny olona vola hividianana sakafo, fitaovam-pianarana, sy fitaterana. Ary amin’ny foko sasany — indrindra ny Vezo, foko iray manana fifamatorana lalina amin’ny ranomasina hatramin’ny razany — ny jono dia efa fomba fiainana hatramin’ny taranaka maro.

“Raha tsy manjono aho, tsy mihinana,” hoy Nambokely, mpanjono iray nihaona tamiko teo amoron-dranomasina tao Ambolimailaky, tamin’ny alalan’ny mpandika teny. 

Ny mpanjono eto helodranon’ny Ranobe dia miasa tsy ankiato andro aman’alina.

Indray hariva, rehefa vao nilentika ny masoandro, dia nandeha sambo kely aho niaraka tamin’ny mpikaroka vitsivitsy izay mianatra momba ny haran-dranomasina sy ny jono. Feno zavamiaina madinika mamirapiratra teo ambonin’ny ranomasina, ary nirehitra izy ireo rehefa nosarihin’ny onja ny lohan’ny sambo, toy ny hoe nandeha teo ambonin’ny vovoka manjelanjelatra izahay.

Fa ny tena nisy firantiana fahazavana lehibe dia tao anaty rano. Rehefa niala lavidavitra amin’ny morona izahay, dia niseho teo ambanin’ny onjan-dranomasina ireo tara-pahazavana samy mandeha haingana amin’izay halehany — mpanjono amin’ny alina ireo. Ireo mpanjono dia mitady ny haza tiany hohazana amin’ny fampiasana jiro tsy mataho-drano, izay indraindray dia jiro tsotra nofonosina amin’ny kapôty maromaro.

Rehefa nipoitra avy anaty rano nitondra lamaira (murène) voatsatoka tamin’ny voloso (na lefona), ny mpanjono lehilahy Vezo iray antsoina hoe Jean Batiste, dia nilaza tamiko fa manjono amin’ny alina izy satria mahazo trondro betsaka kokoa noho ny amin’ny atoandro. 

Saingy, hoy i Jean Batiste — ary toy izany koa ny mpanjono rehetra niresaka tamiko tao Ranobe — mihamafy sy mihasarotra hatrany ny mahazo zavatra, ka lasa mihasarotra ihany koa ny mahazo vola. “Tena mampanahy” hoy i Jean Batiste tamiko tamin’iny alina iny teny an-dranomasina.

Ao amin’ny helodranon’ny Ranobe sy amin’ny faritra maro eto atsimo-andrefan’i Madagasikara, miharatsy be ny jono, ary mety ho potika mihitsy aza. Fikarohana maro avy amin’ity faritra ity no manaporofo fa mihena ny trondro azon’ny olona sy ny isan’ny karaza-trondro azo raha oharina amin’ny telopolo na efapolo taona lasa. Ny karazana trondro sasany — anisan’izany ny Bodoloha sasany, izay manampy amin’ny fanakanana ny fitomboan’ny lomotra (algue) manimba haran-dranomasina — dia efa nanjavona tanteraka amin’ny toerana sasany. “Tafidina amin’ny taha tsy mbola nisy toy izany teo aloha,” hoy i Gildas Todinanahary, izay mpikaroka momba ny ranomasina, sady talen’ny IHSM.

Mihakely ihany koa ny haben’ny trondro azon’ny olona, midika izany fa manjono trondro mbola tanora sy kely ny mpanjono — famantarana mazava ny fanjonoana mihoapapana koa izany. Raha jonoina avokoa na ny lehibe na ny kely, dia tsy misy afaka mamokatra taranaka intsony.

Nambaran’i Nambokely tamiko fa taloha, tamin’ny andro tsara, dia afaka nahazo 40 000 na 60 000 ariary ny mpanjono iray amin’ny andro iray monja. Fa amin’izao fotoana izao, vondrona misy mpanjono efatra na dimy no mandeha manjono mandritra ny ora maro eny an-dranomasina, kanefa trondro vitsivitsy fotsiny no mety azony, manodidina ny antsasaky ny siny plastika iray. Izany dia manodidina ny 20 000 ka hatramin’ny 40 000 ariary, hoy izy tamiko, ary tsy maintsy zarain’izy ireo mitovy. Ny horita (poulpe) madinika roa ambin’ny folo kosa dia mitentina manodidina ny 10 000 ariary monja.

“Tsy ampy ny sakafo azon’olona anatin’ny indray andro,” hoy i Marcel Sebastian, mpanjono zokiny iray nihaona tamiko tao amin’ilay tanàna. Efa mihoatra ny 50 taona izy no manjono eto atsimo-andrefan’i Madagasikara.
“Tamin’ny taloha misakafo midi, misakafo hariva. Fa amin’ny fotoana henaniky zao, tsy mihina hany midi fa mihina hany hariva, izay izany ty fisehony.”

Tsy ny jono no olana. Fa ny fanjonoana mihoapapana — tsindry izay mahatonga ny jono ho tafahoatra be ka tsy manome fotoana ho an’ny haran-dranomasina sy ny zava-manan’aina ao aminy mba hiverenan’ny ainy amin’ny laony. Izay no mitranga amin’izao fotoana izao eto atsimo-andrefan’i Madagasikara. Maro loatra ny olona samy mpanjono ary mitovy ny trondro jonony.

Antony iray amin’izany dia ny fiovan’ny toetrandro. Ny fiakaran’ny hafanana dia manampy amin’ny haintany maharitra izay manasarotra ny fambolena any atsimon’i Madagasikara. Ao ihany koa ny fandripahana ala be dia be — izay manala ireo hazo izay mitazona ny tany sy manampy ny rano hiditra ao anaty tany — izay midika fa rehefa avy ny orana, dia mandrakotra tany fambolena ny atsanga avy amin’ny tondra-drano. Rehefa tsy mahomby ny fambolena any an-tanety, dia mitombo ny isan’ny tantsaha eto Madagasikara izay mifindra any amin’ny morontsiraka mitady vola amin’ny alalan’ny jono. (Ny fandripahana ala any an-tanety koa dia mandefa fotaka any an-dranomasina, izay afaka mandrakotra sy mamono haran-dranomasina.)

Io fifindra-monina ateraky ny toetrandro io dia mahatonga ny mponina eny amin’ny morontsiraka hitombo be, ka mampitombo ny tsindry amin’ny jono. Sarotra ny mahita tarehimarika marina amin’ny isan’ny olona eto amin’ny helodranon’ny Ranobe, fa araka ny asa fikarohana iray tamin’ny taona 2019, dia nitombo 4,5 isan-jato isan-taona eo ho eo ny tanàna eto — midika izany fa mitombo avo roa heny ny mponina eto afaka 15 taona. Raha ny salan’isa manerantany dia manodidina ny 1 isan-jato monja. “Maro amin’ireo olona tonga avy any an-tanety no tsy te honina eto,” hoy i Quinn Mitsuko Parker, mpikaroka manovo ny mari-pahaizana doctorat ao amin’ny Oniversiten’i Stanford, izay mianatra momba ny vondrom-piarahamonina mpanjono eto amin’ny helodranon’ny Ranobe.

“Tsy te hanao asa fanjonoana izy ireo. Aleon’izy ireo mamboly.”

Fa tsy manan-tsafidy afa-tsy ny manjono ny olona. Na dia tsy ampy intsony aza izany. Na dia manafaingana ny fahasimban’ny haran-dranomasina sy ny loharanom-bola azo avy ao aza izany.

Indray maraina, fotoanan’ny tsinam-bolana, dia nandeha lakana niaraka tamin’ny mpanjono vitsivitsy aho tamin’ny fotoan’ny ranomasina nidina. Nanomboka nihalalina ny rano tamin’ny voalohany fa rehefa nandeha lavitra izahay dia nanomboka narivo indray — mandra-pahatongan’ny fotoana izay namparivo ny rano ka afaka nandehanay an-tongotra. Teny ambonin’ny haran-dranomasina izahay tamin’izay. Zavatra hafahafa be izany: eto izahay, kilaometatra vitsivitsy miala ny morontsiraka, nefa dia mandeha an-tongotra ety ambonin’ny faritra tokony hisy ranomasina.

Rehefa tena tafidina be ny rano, dia miseho ny ampahany amin’ireo vatohara. Ary amin’izay, ny mpanjono — indrindra ny vehivavy teto  — dia manararaotra an’izany. Mandeha eny ambonin’ny haran-dranomasina izy ireo mitady horita (poulpe), soky (oursin), ary biby madinika hafa hohanina na hamidy, lazaina amin’ny fomba fiteny hoe “mihaky” (pêche à pied) izany.

Farafahakeliny vehivavy eo amin’ny roambinifolo eo no nihaky (pêche à pied) tamin’ny fotoana nahatongavanay teny, ary samy niondrika nijery ambany izy ireo no sady nandeha. Ny sasany nitondra voloso (na lefona), hanindromana horita (poulpe), ary ny hafa nitondra akorandriaka lehibe sahala amin’ny boziky (conque), izay ampiasainy hanokafana soky (oursin).

Nankeo amin’ny vehivavy iray antsoina hoe Doseline aho, izay nanao kiraro tsy mitovy sy satroka be manarona masoandro. Sady niresaka izahay no sady nanindrona ny volosony tao anaty hara izy nitady horita (poulpe), ary indraindray izy nijanona naka akorandriaka kely sy nametraka izany tao anatin’ny kitapony.

Nilaza tamiko i Doseline fa amin’izao fotoana izao dia antsasaky ny horita (poulpe) no azony raha oharina tamin’ny 10 na 20 taona lasa izay. Ary na dia fantany aza fa mety hanimba ny haran-dranomasina ny mihaky toy izany — satria ny ankamaroan’ny haran-dranomasina hita eny dia efa maty noho ny fisian’ny mpihaky toy izao— dia tsy manana safidy hafa izy, hoy izy tamiko. Doseline dia renim-pianakaviana mpitondra-tena, ary izy no miandraikitra ny zanany lahy iray izay mbola mianatra. Hoy izy tamiko hoe: “Tsy ampy ho anay ny vola miditra [avy amin’ny ny jono].”

Nandritra ny adiny iray mahery aho nijery an’i Doseline nitady teny amin’ny haran-dranomasina teny. Nandalo teo ambonin’ny “étoile de mer” misy tsilo sy biby madinika miloko antsoina hoe limaces de mer izahay. Nahita aho akorandriaka foana izay nipetrahan’ny drakaka, biby toa avy amin’ny tontolo hafa izany. Doseline, izay manao bango mifity roa, dia tsy dia nahomby loatra “Malahelo aho fa tsy nahita horita ka holy” hoy izy tamiko.

Tao anatin’ny telopolo taona izay, nanintona ny sain’ny maro avy amin’ny fikambanana iraisam-pirenena mpiaro tontolo iainana sy ny mpamatsy vola vahiny i Madagasikara.
Ny biby eto amin’ny nosy dia tsy vitan’ny hoe manintona — Gidro! Tanalahy! haran-dranomasina! — fa tsy manam-paharoa koa. Satria efa ela be i Madagasikara no voasaraka tamin’ny tany hafa, dia nanana fotoana ampy ny biby sy zavamaniry ao hampivoatra ny karazany (espèce) ho karazana (espèce) hafa vaovao. Ankehitriny, manodidina ny 90 isan-jaton’ny karazana zavamaniry sy biby eto dia tsy hita any an-kafa eto ambonin’ny tany. Midika izany fa raha lany eto Madagasikara izy ireo, dia ho lany amin’izao tontolo izao mihitsy.

Noho izany zava-dehibe izany, dia ny fikambanana lehibe iraisam-pirenena toa an’i Conservation International sy WWF dia efa niasa teto amin’ny nosy mba hiezaka hanakana ny fahapotehan’ny ala, ny fanjonoana mihoapapana, ary ny fahasimban’ny tontolo iainana amin’ny endriny rehetra. Ary ireo fikambanana mpanome fanampiana dia efa nandefa vola an-jatony tapitrisa dolara teto amin’ny nosy ho an’ny fiarovana. 

Kanefa ireo loza ireo dia mbola mitombo, fa tsy mihena.

Ny olana lehibe indrindra dia ny fahantrana — izany dia tsindry mavesatra amin’ny tontolo iainana  — izay mifamatotra akaiky amin’ny korontana ara-politika. Fa misy olana lehibe ihany koa eo amin’ny fampifandraisana ny fomba nentim-paharazana amin’ny fiarovana ny tontolo iainana na eto Madagasikara izany na amin’ny firenena mahantra hafa.

Manana fanontaniana sa fanehoan-kevitra momba ity lahatsoratra ity ve ianao?

Azafady mba mifandraisa amin’i Benji Jones amin’ny Facebook (eto) na amin’ny adiresy benji.jones@vox.com.

Teo aloha, ny fikambanana mpiaro ny tontolo iainana, ny siantifika vahiny ary ny fanjakana dia niantehitra be tamin’ny fametrahana faritra arovana eto Madagasikara ho fitaovana enti-miaro ny tontolo iainana, toy ny fanaovana valan-javaboary arovana, faritra arovana an-dranomasina ary ny toerana voajanahary arovana. Ny helodranon’ny Ranobe, ohatra, dia isan’ny faritra an-dranomasina voaaro amin’ny fomba ofisialy. Nefa araka ny fikarohana, ireo fomba fiarovana ireo dia tsy nahavita nanakana ny fahasimban’ny tontolo iainana. “Nahomby ve ny fiarovana ny harena voajanahary eto Madagasikara tamin’ny rafitra faritra arovana nandritra ny 30 taona? Tsia,” hoy ny minisitra teo aloha momba ny tontolo iainana, Baomiavotse Vahinala Raharinirina, tamin’ny taona 2020. 

Izany dia satria matetika ireo valan-javaboary arovana ireo tsy mamaha ny antony mahatonga ny olona hitrandraka ny tontolo iainana. Amin’ny tranga sasany, dia manavesatra manokana amin’ny vehivavy mpanjono ihany koa ireo fepetra ireo, satria manakana ny fidirany amin’ireo faritra anjonoana amin’ny fakan-javaboahary, araka ny nosoratan’i Merrill Baker-Médard tao amin’ny bokiny Feminist Conservation: Politics and Power in Madagascar’s Marine Commons.Olana iray hafa eto Madagasikara, ary hita maneran-tany ihany koa, dia ny hoe ny ONG dia matetika tompon’andraikitra kokoa amin’ny mpamatsy vola noho amin’ny vondrom-piarahamonina misy azy, hoy i Emma Gibbons, mpitantana ny ReefDoctor, fikambanana kely iray ao amin’ny helodranon’ny Ranobe. Ireo mpamatsy vola, amin’ny ankapobeny, dia manohana tetikasa vitaina anaty fotoana fohy. Ary tsy dia ahitana fepetra raha tsy tena manampy ny olona na ny tontolo iainana ireo tetikasa ireo, hoy ihany izy.

Ireo olana ireo dia hita mazava tsara indrindra eto atsimon’i Madagasikara, izay nantsoina mihitsy hoe “fasan’ny tetikasa” (cimetière de projet) satria maro be ireo tetikasa tsy nahomby.

Raha te hahomby ny fiarovana, dia tsy maintsy avy amin’ny olona eny ifotony sy tarihin’izy ireo izany, ary mifototra amin’ny fahatakarana lalina ny kolontsaina sy ny zavatra tian’ny olona, hoy i Gibbons, izay teratany britanika izay nipetraka teto Madagasikara nandritry ny 20 taona. Ny mpanjono eto dia mazava ho azy fa te hiaro ny jono — satria io no fiainany, sy fivelomany — saingy tsy afaka mamoy ny toerana fanjonoany izy ao anatin’izany. Zava-dehibe kokoa aminy ny fahazoana sakafo. “Tsy azo tenenina olona hoe aza mihinana,” hoy i Gibbons.

Izany fomba fijery izany no nanampy an’i Gibbons nandray fanampahakevitra amin’izao. Tsy nanakana ny jono, toy ny fanao araky fomba fiarovana taloha izy, fa — miaraka amin’ny olona ao amin’ny fiarahamonina sy ekipa iray misy mpikaroka eo an-toerana sy vahiny — manandrana mamorona toerana maro kokoa azo anjonoana.

Fa tsy manandrana manakana ny jono toy ny fomba fanao taloha amin’ny fiarovana, izy — miaraka amin’ny olona ao amin’ny fiarahamonina sy ekipa iray misy mpikaroka eo an-toerana sy vahiny — dia manandrana mamorona toerana maro kokoa azo anjonoana.

Ary mba hanaovana izany, dia manangana haran-dranomasina vaovao tanteraka izy ireo.“Manantena izahay,” hoy i Gibbons, “fa afaka mampitombo ny velaran-tany azo anjonoana.”

Ny fanamboarana haran-dranomasina artifisialy dia mora kokoa noho ny fieritreretana azy.
Izy sy ireo mpiara-miasa aminy dia mandatsaka vato vaventy amin’ny ranomasina, ka mamorona andalana lavalava amin’ireo vato ao ambanin’ny rano, izay manodidina ny 57 metatra ny halavany. Izany dia mitovy amin’ny halavan’ny fiaramanidina mpitondra olona iray.
Avy eo, avela hifindran’ny karazam-biby sy zava-maniry samihafa ireo vato ireo amin’ny alalan’ny fitaovana antsoina hoe ARMS (fanafohezana ny hoe autonomous reef monitoring structures) izay efa nijanona volana maro teo amin’ny hara voajanahary hanangona vatohara, eponge, ary biby madinika an-dranomasina hafa.

Ireo fitaovana ireo, vita amin’ny takelaka vato maromaro mipetaka, dia toy ny fintambaran-javatra entina amelomana ny haran-dranomasina.

Hatramin’izao, ny ReefDoctor dia efa nahavita haran-dranomasina artifisialy roa izay manarona toerana manodidina ny antsasaky ny hekitara. Ny tsirairay amin’ireo dia misy andalana vato efatra, antsoina hoe spurs, izay feno ARMS efa misy karazam-biby sy zava-maniry samihafa.

Nilamina ny ranomasina ary maitso kokoa fa tsy dia manga tamin’ny fotoana nahatongavako teo ambonin’ny iray amin’ireo hara artifisialy, manodidina ny iray kilaometatra miala amin’ny morontsiraka, niaraka tamin’i Mark Little, izay mpikaroka an-dranomasina. Mikaroka momba ny mikraoba ao amin’ilay hara izy. Tsy dia mazava tsara ny rano, ka saika tsy hitanay akory ireo vato teo ambany — ary tsy dia mamporisika hisitrika tao. Nefa, na izany aza, dia nametaka “bouteille de plongée” aho ary niditra anaty rano. 

Rehefa nidina aho, dia niseho tsikelikely manoloana ahy miaraka amin’ilay maska manjavonjavona ireo vato, tahaka ny hoe midina anaty tanàna haolo sy very iny aho.

Nilomano nankeo amin’ny ARMS maromaro aho, izay nisy vatohara madinika mitombo toy ny sampan-kazo amin’ny hazo bonsai. Takalo (poisson coffre), Lafo (poisson lion), ary bodoloha kely (poisson perroquet) — izay antsoina toy izany noho ny vavany manakaiky ny an’ny vorona — dia nivezivezy nanodidina. Sendra nisy fay (raie) niseho avy tao amin’ny rano manjavozavo iny ary nandalo teo anoloako, dia nanjavona indray avy eo. Tamin’io fotoana io, nahatsapa aho fa simba loatra ny tontolo iainana ka tsy maintsy manomboka manangana izay efa rava indray isika. Soa ihany amin’ity indray mitoraka ity fa toa mandeha tsara io fomba fananganana io.

“Manao tsara ny asany izy,” hoy i Little, mpikaroka efa nahavite ‘doctorat’  ao amin’ny Oniversiten’i Harvard sy ao amin’ny Scripps Institute of Oceanography, rehefa tafakatra teo amin’ny vedety izahay. “Be dia be ny zava-manan’aina ao.”

Amin’ny taona ho avy vitsivitsy, ekipa iray ahitana mpikaroka eto an-toerana sy vahiny no hanao fikarohana momba ny fiantraikan’ireo haran-dranomasina noforonina amin’ny fiainan’ny zavaboary an-dranomasina sy ny asa fanjonoana eto — ary koa ny fiantraikan’izany amin’ny fahasalamana ara-batana sy ara-tsaina amin’ny olona monina amin’ireo tanàna manodidina. Araka ny fanazavan’i Chris Golden, mpikaroka momba ny sakafo sy ny fahasalamana iraisam-pirenena ao amin’ny Harvard T.H. Chan School of Public Health sady anisan’ireo mandray anjara akaiky amin’ny tetikasa, dia isan’ny fikarohana lehibe indrindra eran-tany mampifandray ny fahasalaman’ny tontolo iainana sy ny fahasalaman’olombelona izany.

Ny tanjon’ity fikarohana ity, hoy i Golden, dia “ny hahafantarana raha toa ka ny fikajiana ireo loharanon-karena voajanahary amin’ity fomba ity dia afaka manampy miaraka amin’ny fanatsarana ny tontolo iainana sy ny fahasalaman’ny olona, ny sakafo, ary ny fiarovana ara-tsakafo.”

Tsy haiko ny tsy hahatsapa fa mbola tsy ampy lavitra izany. Raha mitohy ny fitombon’ny fanjonoana — na ny isan’ny mponina eny amin’ny morontsiraka — dia tsy hahavita hanatsara vokatry ny jono ireo haran-dranomasina voatr’olombelona (artifisialy) vitsivitsy ireo. Na dia ireo siantifika mandray anjara amin’io tetikasa io aza dia mahafantatra ny fetran’izany. “Raha amina toe-javatra mivelatra kokoa dia tsy mahomby izy io,” hoy i Gildas Todinanahary, talen’ny IHSM ao amin’ny Oniversiten’i Toliara, izay miara-miasa akaiky amin’i Gibbons.

Ny tena fomba hampaharitra ny haran-dranomasina sy ny fanjonoana dia ny fanomezana loharanom-bola hafa ho an’ny olona eny amin’ny morontsiraka, hoy i Gildas tamiko. Izany hoe, ny fampiasam-bola amin’ny fanabeazana, mba hianaran’ny olona fahaiza-manao vaovao, toy ny fambolena mahatanty ny fiovan’ny toetrandro. Na koa hoe, ny fananganana indostria hafa izay tsy miankina amin’ny fitrandrahana. Mila fiovana lehibe be ny firenena mba hahombiazan’ny fiarovana. Mila fitantanana tsara izany, ary amin’izao fotoana izao dia mbola tsy manana govrnementa akory i Madagasikara.  Saingy hoy ihany i Todinanahary, efa nampiditra vola an-tapitrisany dolara ho an’ny tetikasa fiarovana tontolo iainana ny ONG sy ny fikambanana mpanampy. “Mety ahoana indray raha natao tamin’ny fanabeazana sy ny fahasalamana io vola io?” hoy izy. Indraindray, ny fiarovana mahomby dia tsy mitovy amin’ny fiarovana amin’ny endriny mahazatra.

Farany, izay hitako tao amin’ny Helodranon’ny Ranobe dia ratsy kokoa noho izay nieritreretako azy. Indraindray dia toy ny nijery krizy ara-tontolo iainana sy ara-pivelomana mitranga mivantana. Saingy i Gibbons, i Gildas, ary ireo siantifika Malagasy marobe manan-talenta dia mbola manam-panantenana sy miezaka manarina ny jono — satria tena efa atahorana ny toe-javatra.

Rehefa anisan’io fiarahamonina io ianao, dia mahatsiaro ho tompon’andraikitra ao, ary izany no mahatonga ny tena tsy mahavita ny fitazanam-potsiny.

Ary tsy dia tsy misy dikany akory izany. Mbola afaka sitrana ny haran-dranomasina sy ny fanjonoana tohanany. Mbola misy aina.

Rehefa avy nijibika tao amin’ny hara artifisialy izahay, dia nitondra ahy tao amin’ny hara voajanahary iray, antsoina hoe Vatosoa, i Little. Taona vitsivitsy lasa izay, ny ReefDoctor dia nanangana hara artifisialy kely iray teo akaikin’ity hara voajanahary ity mba hanjonoan’olona. Tambin’izany anefa, ireo mpanjono eo an-toerana dia nanaiky tsy hanjono ao amin’ny Vatosoa, hoy i Gibbons tamiko.

Kely ny fanantenako, indrindra rehefa avy nijibika tamin’ireo hara tsy nisy trondro.
Nefa nahatalanjona ilay izy. Ilay haran-dranomasina dia fitambaran’ny hara izay, rehefa mitombo dia manana endrika  takelaka manify mifanindry toy ny ravin’ny voninkazo raozy. Ary nisy an-jatony teo amin’izy ireny nifampitohitohy, ka toy ny hoe nilomano teo ambonin’ny voninkazo lehibe iray izahay.

Nanjavonjavona hatrany ny maska nanaovako, izay tena manelingelina, ka nofenoiko ranomasina tao anatiny ary nodioviko matetika. Rehefa afaka nijery mazava indray aho, dia nahita zavatra nitsingevana teo anoloako. Toy ny ahi-dranomasina ilay izy, saingy toa nifatotra tamin’ny vatana Angisy (calmar), biby an-dranomasina iray misy tanana valo sy “tentacule” roa.

Malaza amin’ny fahaizany manafina tena amin’ny loko sy endrika izy, ary toa nampiasa ny tanany mba hitovy amin’ny poti-javatra an-dranomasina. Rehefa nanakaiky aho dia nihemotra tsikelikely izy. Rehefa avy teo, angamba rehefa fantany fa nisy nahatsikaritra ihany izy, dia nanova loko ary nandositra haingana.

“Ny fanantenana mba hiverenan’ny hatsarany dia mbola misy,” hoy i Gibbons tamiko indray hariva, raha nandeha teny amoron-dranomasina izahay tamin’ny filentehan’ny masoandro, sady nijery tsara ny lalana mba tsy hanitsaka akorandriaka maranitra. “Mbola manankarena zavaboary betsaka ireo toeram-panjonoana ireo. Tsy hijanona ao mandrakizay izany, fa amin’izao aloha dia mbola ao izy.”

- Advertisment -

Most Popular

Recent Comments